- Publicité -
lundi, février 2, 2026
AccueilFaits-DiversMorombe : Tokantrano iray voaroba 1,2 tapitrisa ariary sy moto skotera

Morombe : Tokantrano iray voaroba 1,2 tapitrisa ariary sy moto skotera

Tokantrano iray any Morombe no nitondra faisana notafihan’ny jiolahy telo, nitam-basy ny roa, ny alin’ny talata teo, tamin’ny 10 ora alina. Vao tafiditra tao an-trano ireo jiolahy dia nandrangaranga basy. Tsy nisy sahy nihetsika ny tao an-trano nanoloana ny vavam-basy. Toto vodibasy no niatefa teny amin’ny lohan’ilay raim-pianakaviana tompon-trano ka nandratra azy. Tsy afa-namaly intsony, hany herin’ilay rangahy nanoro ny toerana nisy ny vola. Araka ny loharanom-baovao dia lelavola 1,2 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Nialoha ny nitsoahan’ireo mpandroba dia noterena hanome ny lakilen’ny moto koa ny tao an-trano. Nentin’ny roalahy nitsoaka sady notaingenany avy eo ny « scooter Jog ».

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter