- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Nisy zandary iray nohenoina

Kidnapping : Nisy zandary iray nohenoina

Misesisesy ny olona henoina ao Anosy mahakasika ny raharaha fakàna an-keriny nitranga tato ho ato. Ankoatra ireo karàna maromaro dia fantatra fa isan’ny nohadihadiana ihany koa ny zandary iray mpiambina ny iray tamin’ireo karàna nisy naka an-keriny. Io vahiny io no hany votsotra hatreto tamin’ireo telo nalain’ny jiolahy. Hisy ny fihaonan’ny pôlisy misahana ny raharaha mahakasika ny heloka bevava amin’ny mpanao gazety, anio,  etsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Anosy ary hanazavany bebe kokoa ny momba ireo fakàna an-keriny, izay nisesisesy. Eo ihany koa no hampisehoana an’ireo olona efa voasambotra tao anatin’izay herinandro vitsivitsy nanaovan’ny pôlisy fanadihadiana izay. Momba ilay karàna iray farany nalain’ny jiolahy tetsy Soavimasoandro dia fantatra fa naman’ireo roa voalohany efa nisy naka an-keriny izy io. Efa nalaza fa mbola halain’ny olon-dratsy ihany koa izy ka nanoloana an’izany dia nisafidy ny nanamafy ny fiarovana ny tenany izy. Nisy mihitsy aza ny fikasàna hisintaka eto an-drenivohitra mba hihazo an’i lafrantsa, kinanjo ny zanany indray no…lasa ny alatsinainy lasa teo. Fiara tsy mataho-dàlana ary lehilahy dimy na enina mitondra kalachnikov hatrany no manatontosa ny raharaha. Heverina hitondra fanazavana betsabetsaka kokoa amin’izany ny BC anio.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici