- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa 78 taona, may kilan’ny afo tao an-tranony

Toliara : Ramatoa 78 taona, may kilan’ny afo tao an-tranony

Ramatoabe iray 78 taona, maty vady mipetra-drery no may kilan’ny afo tao an-tranony afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny 9 ora, tao amin’ny fokontany Antaravay Toliara. Raha ny vaovao voaray, dia mamo io vavy antitra io tamin’ny alina io. Rehefa avy nanakotaba ny manodidina, izay efa mahazatra ny mpiara-monina aminy, isaky ny mamo ity ramatoabe ity dia nandeha natory. Ny tranony vita amin’ny bozaka sy fanitso efa niledaleda afo, 45 minitra taorian’io, no nanaitra ireo zanany monina tsy lavitra eo. Mety ny jiro kapoaka mandeha amin’ny solitany fampiasany no nianjera, ka nitarika ny famaizana, hoy ny fanazavana azo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici