- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Mpivarotra volamena nomena poizina, lasa ny entana

Ambatolampy : Mpivarotra volamena nomena poizina, lasa ny entana

Amin’izao fotoana izao, mitady izay hirika rehetra hisolokiana ireo mpanao ratsy. Ny faran’ny volana jolay lasa teo, mpivarotra volamena iray no tratran’ireo mpisoloky sy mpangalatra tamin’ny kely foana. Tamin’ny alalan’ny zavatra nomeny hosotroin’ireo olona ireo ihany mantsy no nahavoazan’izy ireo azy, na nangalarany ireo vovo-bolamena milanja 85g, tany amin’iny faritra Ambatolampy iny. Tsy niandry ela ireo pôlisy fa avy hatrany dia nandray an-tanana ny raharaha. Voasambotra taty an-drenivohitra io mpisoloky io, ny alatsinainy lasa teo. Nanaovana fanadihadiana ary nampiakarina fitsaràna. Taorian’izay dia notanana am-ponja vonjimaika. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia « ny 30 jolay 2015 dia nifampitaona tao amin’ny trano fisakafoanana lehibe iray tao Ambatolampy ny olona roa lahy milaza ho mpividy volamena sy ny olona mpivarotra volamena ary ny mpanera. Tokony tamin’ny 09 ora maraina no namandrika efitrano tao amin’ity Hotely ity ny lehilahy roa. Taorian’izay dia tonga ny olona nifanao fotoana tamin’izy roa lahy hivarotra volamena niaraka tamin’ny mpanera. Rehefa natao ny resaka fifampivarotana sy ny fanamarinana ny vovo-bolamena milanja 85g netin’ireo olona hivarotra dia niteny ny iray tamin’izy roa lahy fa handeha haka ny vola. Mandra-piandry ny fiverenany dia nitaona ireto olona nifampiraharaha taminy hiala hetaheta ilay lehilahy iray. Rehefa nisotro ny zava-pisotro narosony ny tompon’ilay volamena sy ny mpanera dia narary sy tsy nahatsiaro tena ka voatery nentina teny amin’ny hopitaly. Ilay vovo-bolamena kosa netin’ilay lehilahy nandositra ». Manentana hatrany ireo mpitandro filaminana mba ho mailo manoloana ny toe-javatra tahaka izao. « Efa lasa fanaon’ireo olon-dratsy mpangalatra sy mpisoloky indray izao ny fitaomana ny olona tiany hasiana mba hiala hetaheta na hirevy, nefa ny zava-pisotro arosony efa nasiany poizina ka rehefa torana dia mora ho azy ny manatanteraka ny asa ratsiny », hoy ny hatrany ny loharanom-baovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici