Omaly no natolotra ny fampanoavana ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny ny tompon’ny toeram-pivarotana Conforama. Nalefa notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy avokoa izy ireo rehefa vita ny fanadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana. Fantatra fa nisy miaramila iray nitondra ny galona kapiteny ao anatin’ilay tambajotra. Etsy andanin’izany dia nisy ihany koa ny fihainoana pôlisy maromaro teo anivon’ny brigade criminelle mahakasika ny fahavakisan’ny biraon’ny BC4 nandritra ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Ireo izay niasa tamin’io fotoana io no nohenoin’ireo mpanao fanadihadiana eo anivon’ny “inspection” eo anivon’io vondrona io. Mbola mitohy hatrany kosa ny fikarohana ireo karàna ambiny izay tsy mbola votsotra aloha hatramin’izao. Torak’izany ihany koa ny tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny azy ireo.
D.R