Tamin’ny zotra MD 010 izay hihazo an’i Guangzhou no nisian’ity sampona ity. Nisy sinoa mpandeha iray izay, rehefa nandalo teo amin’ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (Police de l’Air et des frontières na koa PAF) dia nanangan-tsandry ary nikasi-tànana ilay mpitandro ny filaminana. Raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny seranam-piaramanidina dia nisava ny pasipaoro aloha ilay pôlisy. Nisy ny visa. Tsy nijanona teo anefa ny fisavana fa nanontaniana ihany koa ny taratasy hafa toy ny fahazoana alàlana nipetrahan’ilay sinoa teto Madagasikara. Teo amin’izay no niaka-pofona ilay vahiny ka nidaroka avy hatrany. Voatery niditra an-tsehatra ny pôlisy hafa izay niasa tamin’io omaly io vao voatazona ilay sinoa. Nentina tao amin’ny biraon’ny PAF tao Ivato ihany ary natao ny fanadihadiana azy. Saingy ny nahatalanjona ny rehetra dia afaka nandeha tamin’ny MD 010 ihany ny tenany na dia efa nivandravandra aza ny tsy fanarahan-dalàna nataony. Tao no nilaza fa nisy “intervention” avolenta nandeha ka nahatonga ny famotsorana azy avy hatrany. Tsy nolavin’ny loharanom-baovao teo anivon’ny seranam-piaramanidina rahateo ny mety ho fahamarinan’izany. Raha ny marina dia matoa nidaroka toy izao ilay mpandeha dia tena tsy nisy tokoa ny taratasy notakiana taminy. Dia mba aiza ho aiza ny lanja omen’ny vahiny antsika raha olona efa midaroka ny mpitandro ny filaminana toy izao no mbola afa-maina indray noho ny kolikoly? Samy vavolombelona tamin’ny zava-nitranga avokoa ny mpandeha sy ny mpiasa tao Ivato omaly. Ary raha teratany malagasy ve no midaroka mpitandro ny filaminana ao Guanzhou, dia ho afa-maina toa izao ihany koa? Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra…
D.R