Tokantranona mpibizina safira iray any Sakaraha, notafihana dimilahy tsy nisaron-tava nirongo basy ny telo, ny alin’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 11 ora. Lasa ny vola mitentina valo tapitrisa ariary saika hividianana safira, niampy entana sarobidy hafa mora zaka tao an-trano, toy ny : volamena, finday, sns. Araka ny vaovao azo dia nopoirin’ireo jiolahy moramora avy tany ivelany ny varavarambe ary vantany vao nisokatra izany, dia nanao amboletra niditra tao an-trano izy ireo. Maty paika tanteraka ity fandravana nitranga ity, satria toa hain’ireo jiolahy fa vao avy nahalafo vato rangahy tompon-trano ary fantany araka izany ny fisian’ny volabe an-tapitrisany tao.
Voaambana basy ny iray trano. Tsy nisy nahare ny nidiran’ireo mpadroba mihitsy ny tompon-trano, raha tsy izy ireo efa tafiditra sy nanambana basy ny iray trano. Noho ny hery tsy nitovy sy ny fitaovam-piadiana mahery vaika nampiasain’ireto olon-dratsy, dia tsy afaka nanohitra ireo voatafika, fa avy hatrany dia namoaka vola. Lasa ireo jiolahy rehefa azony izay nilainy, hoy ny vaovao voaray.
Eric Manitrisa
Sakaraha : Mpividy safira voatafika, lasan’ny jiolahy ny vola 8 tapitrisa Ariary
Articles qui pourraient vous intéresser