- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Enin-dahy nirongo basy, nanafika fivarotana telo

Itaosy : Enin-dahy nirongo basy, nanafika fivarotana telo

Nisehoana fanafihana mitam-basy indray teny amin’iny faritra Itaosy, ny sabotsy lasa teo. Fivarotana telo no indray nasesin’ny jiolahy enina mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Vola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa latsaka teo no azon’ireto olon-dratsy ireto tamin’izany fanafihana izany. Araka ny fantatra ,dia vola matin’ireto fivarotana kely nifanakaiky ireto io  lasan’izy ireo ireto. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no niseho ity fanafihana mitam-piadiana ity, raha ny loharanom-baovao. Ary tao anatin’ny fotoana fohy monja no nanatanterahan’ireto jiolahy ny asa ratsiny, raha ny fantatra hatrany. Ireo voatafika, raha vao nahita ny basy teny an-tanan’izy ireo, dia samy nilefitra avokoa. Eny fa na dia teo aza ny feo nandeha, fa toa hoe basy kilalao nentin’izy ireo nanafika. Marihina fa tsy nisy ny fanapoahana basy, tsy nisy ihany koa ny aina nafoy na ny naratra. Toa tsy nisy nahalala ilay trangam-panafihana ny mponina teny an-toerana raha tsy lasa io jiolahy. Taorian’izay vao afaka niantso mpitandro filaminana ireo voatafika. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireto farany, saingy efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireo olon-dratsy. Efa eny am-pelantanan’izy ireo rahateo ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici