- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Mpifankatia avy niseho, voatsindrona antsy

Andavamamba : Mpifankatia avy niseho, voatsindrona antsy

Vao avy fifaliana no niainan’izy roa kely nandritra ny tontolo andro, ny alina dia nosembanin’ny jiolahy sahady izany. Mpifankatia vao avy nanao fisehoana ka handeha hamonjy olona tetsy Andavamamba no nifanehatra tamin’ny olon-dratsy tao anaty elakelan-trano, ny alin’ny talata teo. Saika handeha hitsidika ny rahavavin-dravehivavy izy roa ary vao avy nametraka fiara teo amin’ny “parking” ka niditra elakelan-trano kely, no nisy jiolahy heverina ho nanaraka. Notifirin’ireo totohondry ilay vehivavy. Tsy vitan’izany fa mbola notsatohan’ireo antsy ihany koa mba nahazoana ny paoketra teny aminy. Nisy firavaka volamena vao avy nanaovana tamin’ny tontolo andro tao anatin’io ary nisy finday Iphone 5 sy vola ihany koa. Tsy nijanona teo ny raharaha, satria raha nahita an’izany ilay fofom-badiny dia nanohitra ihany koa. Saingy sendra ny be noho ny vitsy ary dia voatsotoka antsy ihany koa. Tany amin’ny hopitaly no niafaran’ireto mpifankatia, izay vao avy nanaporofo tamin’ny fianakaviana ny fiarahan’izy ireo. Raha ny fantatra dia efa elaela no nisy ny andrimasom-pokonolona teny amin’iny kartie mafana iny ary efa saika ireny “couvre-feu” ireny aza no mihatra. Izany anefa dia tsy nanakana tanteraka ny asan-jiolahy tsy niseho indray ny alatsinainy alina teo teny amin’iny faritra iny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici