Lasibatry ny mpangalatra indray amin’izao fotoana izao ny taribin’ny JIRAMA .Mpangalatra efa matihanina no manao ny asa ratsy rehetra, satria rehefa maty ny jiro amin’ilay toerana nialan’ny tariby dia manararaotra mangalatra sy mampihorohoro ny vahoaka ireo jiolahy .Tariby manodidina ny 150 metatra teo ho eo no lasibatra tamin’iny lalana mankany Andrarabary, ao anatin’ny kaominina Ambohiborimanga Ambatondrazaka iny, ny herinandro lasa teo .Raha mieritreritra fa hoe « delestage »ny vahoaka ,hay efa ny tariby mampitohy ny herinaratra mihitsy no tsy eo amin’ny toerany intsony .Mandray andraikitra amin’ny fanamboarana ny mpiasan’ny Jirama amin’izao fotoana izao ,ary mandeha ny famotorana ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Janus R