- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Noho ny pôlitika, efa-mianaka saika nodorana velona

Ampanihy Andrefana : Noho ny pôlitika, efa-mianaka saika nodorana velona

Noho ny fanohanana kandidà iray tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo iny, dia olona efa-mianaka no saika namoy ny ainy nodorana velona sy hotapahin-doha, ny alin’ny alatsinainy teo, tao Ampamata, kaominina ambanivohitr’i Belafika-Haut, any amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana. Raha ny fanazavana azo dia fifandirana ara-politika nanomboka ny 31 jolay lasa teo no fototry ny olana, satria tsy nety nanao sonia ny fitanana an-tsoratra (PV) nanoloana ireo tsy fanarahan-dalàna nisy ity raim-pianakaviana iray, izay « délègue de vote » an’ny kandida iray, na dia norahonana hotifirina tamin’ny basy sy hotapahin-doha aza ny vady aman-janany ny alin’ny zoma androm-pifidianana. Tsy nijanona teo ny lonilonin’ireo fianakaviana kandidà iray resy, fa niitatra hatrany amin’ny famonoana ho faty an’ity « délègue » ity mianakavy ny raharaha, ny alin’ny 31 aogositra teo. Raha araka ny vaovao voaray dia notohanan’ireo olon-dratsy avy any ivelany ny varavaran’ny tranony, mba tsy hahafahan’ny olona rehetra ao an-trano mivoaka, ary mandeha ihany ny fandrahonana samihafa amin’io, fa izay mivoaka eo dia tapahin-doha. Ny lelan’afo efa niredareda no nanaitra azy efa-mianaka tao an-trano. Noezahin’ireto fianakavina nopoirina ny varavarankely ka teo no nafaha-nitsoaka nanavotra aina, raha tsy izany dia may kila forehitra tao noho ny fialonana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici