- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Ankazoabo : Raikitra sahady ny valifaty!

Raharaha Ankazoabo : Raikitra sahady ny valifaty!

Tsy niandry ela ny valin-kafatry ny miaramila taorian’ny nahafaty ireo olony miisa valo. Nitaraina ny olona tao Ankiliabo noho ny fitifirana ny roa tamin’izy ireo, izay maty tsy tsa-drano. Mbola ireo mponina izay niezaka nandefa ny vaovao taty an-drenivohitra ihany no nanamafy fa nisy 12 hafa naratra mafy vokatry ny tifitra. Tsy nijanona ela tao an-toerana ireo miaramila fa niala avy hatrany rehefa vita izany fitifirana izany. Ao anefa, raha araka ny loharanom-baovao hatrany, dia efa nisy ny andrimasom-pokonolona sy ny fomba hafa entina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Dia ny roa tamin’ireo indrindra no voatifitra ka namoy aina…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici