Tsy mitsaha-manao ny ezaka rehetra hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny fandraisana ny JMJ (Journée Mondiale de la Jeunesse) andiany fahavalo, ny tompon’andraikitra isan-tokony tarihin’ny Arseveka Rabemahafaly Fulgence sy ny mpandrindra Mopera Rasolofomahafaly Donatien Walburge ary ny Vovonan’ny Tanora ao amin’ny Diosezy, amin’ny fandrindrana sy fanatanterahana ity zaikaben’ny tanora manerana ny Nosy hatao ao Fianarantsoa, ny 15-20 sept 2015 ity. Madiva ho vita ny asa lehibe amin’ny fanomanana ny toerana handraisana ny fanokafana (complexe Ambatomena) sy ny famaranana ny hetsika (ao Anosy). Miandalana koa ny famitana ny pitsopitsony ara-teknika rehetra, toy: ny fandiovana ny toerana, ny famakiana ny lalana, fametrahana ny “parking” ho an’ny fiara, ny fampidirana jiro sy rano amin’ireo toerana handraisana ny mpivahiny, sns… Mpivahiny 24796 no andrasana ho tonga eto Fianarantsoa amin’io JMJ Mada 8 io, avy amin’ny diosezy 21 manerana ny Nosy, araka ny antontanisa farany voaray. Hitsinjara amina “site” na toeram-pandraisana 11 ireo mpivahiny ireo. Raharaha ikambanana sy soa iombonana ny fandraisan’ny Diosezin’i Fianarantsoa ity JMJ ity; izay feno 30 taona amin’ity taona 2015 ity, hoy ireo Raiamandreny isan-tokony nihaona tao amin’ny Fark Ambatomena ny tolakandron’ny talata 01 sept teo, nahitana ireo Raiamandreny ara-piarahamonina, ara-drazana, ara-pinoana avy amin’ny fiangonana mivondrona ao amin’ny FFKM ary ireo efa nitondra fanjakana teo amin’ny faritany sy Faritra. Vonona handray sy hanohana ny tanora ho tonga eto Fianarantsoa ireo Raiamandreny ireo, ka manainga hatrany ny rehetra hifanolo-tanana amin’ny fanatontosana sy fandraisana izany, indrindra amin’ny fampanjariana ny fandriampahalemana eto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Nanome toky moa ny Lehiben’ny faritra Riana Andriamandavy VII, fa tsy maintsy hojerena akaiky ny hampisy ny fandriampahalemana mandritra ireo fotoan-dehibe ireo.
S.Y.M