- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Miakatra « ville » ny voay, mirenireny eran’ny tanàna

Toliara : Miakatra « ville » ny voay, mirenireny eran’ny tanàna

Miakatra « ville » ny voay, raha tamin’ny taona 2013, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza « Haruna » no nahitana voay velona farany nirenireny, tao an-tampontanànan’i Toliara. Ny zoma teo, voay iray lehibe no hitan’olona nikarenjy eran’ny tanàna tao amin’ny fokontany Mahavatse I, ka tsy maintsy nosamborina avy hatrany, ary nogiazana tao amin’ny biraon’ny Zandary Tsianaloka. Nihorohoro sy nisahotaka ny iray tanàna, nahita an’ity voay nirenireny ity. Omaly antoandro moa ity biby ity no naterin’ny mpitandro filaminana tany amin’ny farihin’ Antsarako Belalanda, avaratry Toliara.

Fakana ody gasy mahery. Raha ny fanazavana azo, dia voay nompiana avy amina tokantranona mpimasy iray izy io, no tafaporitsaka. Rehefa nofotorana ilay ombiasy mpanao fanafody gasy tompony, dia nilaza fa fakany ody gasy mahery io voay io, ary rehefa tena lehibe dia hovonoiny havadika vola hakany ny hodiny sy hatao mena-boay hono ! Hatramin’izao raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatongavan’ ity voay ity teny Mahavatse. Ny mpiray tanàna nanamfy, fa tsy mahalala ny fisian’ io voay io na ny fiompiana azy. Eo eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Mitohy ny fanadihadiana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici