Tsy resabe intsony, fa tsy maintsy hirosoana ny fanatanterahana ny ezaka efa natomboka tamin’ny taona lasa 2014, nikarohana ny vahaolana hampandriana fahalemana ny Faritra Matsiatra Ambony, hoy ireo herivelona isan-tsokajiny misehatra amin’ny fampandriam-pahalemana ato anivon’ny faritra, nandritra ny fihaonana nokarakarain’ny Fiarahamonina sivily tao amin’ny efitrano fivoriana ao amin-dry Masera Marie Reparatrice Ambatomena, tamin’ny alatsinainy 31 aogositra 2015. Anisan’izany ny fandravonana ireo drafitra maro samihafa, niainga tamin’ny fakàn-kevitra ifotony maro miantoana nikaroham-bahaolana amin’ny fandriampahalemana, ny fampiharana ny Dina nasiana fanatsarana ary vita fankatoavana, ny fampiofanana ireo tomponandraikitra ifotony tandrify izany. Hiainga amin’ny fijerena manokana ireo lesoka teo amin’ny fitandroana ny filaminana ny paikady hoenti-manatanteraka izany sy hoenti-manatsara ny fomba fiasa. Nisongadina tamin’izany, ny tsy maintsy hiadiana amin’ny kolikoly; izay fositry ny tsy fandriampahalemana ary hisy fampiofanana manodidina izany. Niompana tamin’ny fandravonana sy ny fitsinjarana andraikitra teo amin’ireo mpisehatra ny vontoatin’ny fihaonana tamin’io andro io. Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity, ireo Raiamandreny ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-drazana, ara-panjakana notarihin’ny Prefen’i Fianarantsoa, ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpitandro filaminana telo tonta: Tafika, Zandarmaria ary Polisim-pirenena.
S.Y.M