Trano lehibe iray no voatery narodana tao Mahafaly Vatofotsy taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana. Miorina eo amin’ny tany mirefy 18Ha 52Ca ity trano ity, izay manana ny titre “ Tsy very” TN 18.033 Bis / P. Araka ny angom-baovao teny an-toerana dia namidin’ny tompony indroa ity velaran-tany ity. Ny mpividy voalohany antsoina hoe RML no nahazo ny tany, avy hatrany dia nokarakarainy ny taratasy rehetra, ka nahazoany nanova ny “titre” Faniry TN 22.189P taty aoriana. Nandritra izany anefa, raha ny fanazavana hatrany, dia namidin’ny tompon-tany tamin’ny olona iray hafa indray ny tany. Ity farany no avy hatrany dia namefy sy nanangana trano ary nanao fambolena teo amin’io tany io. Nifampitory ny roa tonta samy mpividy avy eo, ka niakatra ambonimbony ny raharaha. Resy hatrany ity mpividy faharoa na tany amin’ny fitsarana ambony aza. Taorian’ny didy fandroahana sy fanesorana ny fanan’ilay rangahy dia niroso tamin’ny fandrodanana ny vadintany, ny zoma 4 septambra teo. Hita teny an-toerana nandritra ny fandravana fa mbola tsy niomana ny amin’izany ireo fianakavina nonina tao ka navoaka teny ivelany ny entana rehetra. Raha nanontaniana mikasika ity raharaha ity kosa ny fianakavian’ilay rangahy noravana trano dia nambarany fa efa an-dalana ny fikarakarana ny taratasiny amin’ny handravana ilay didy, nefa mbola notohizana ihany ny fandravana. Hatramin’izao dia mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny raharaham-pitsarana ny ady tany, raha ny eto amin’ny faritra vakinankaratra. Mazàna no tonga amina fandravana toy izany hatrany ny fiafarany ho an’ireo izay efa nahatsangana trano.
Andry N.