- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAtsimo Andrefana - Befotaka Atsimo : Olona fito maty voatifitra, omby 90...

Atsimo Andrefana – Befotaka Atsimo : Olona fito maty voatifitra, omby 90 mahery lasan’ny dahalo

Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany amin’ny distrikan’i Befotaka Atsimo, tsy lavitra ny sisin-tany mampisaraka azy amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny vaovao voaray dia olona fito no namoy ny ainy tao Betsaponga Analamainty, ary omby 90 mahery no lasan’ny dahalo 30 lahy nitondra fitaovam-piadiana, ka ny omby miisa 25 amin’ireo omby very an’ny Lehiben’ny Fokontany Ambalarano, any amin’ny Kaominina Manambondro. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana taorian’ny fanafihana, ka raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny zandary nampian’ireo fokonolona. Nisy ny fifandonana tamin’ireo malaso, ka teo no nahalavo ireo olona miisa fito. Raha ny fanampim-baovao dia olana ho an’ireo mpitandro ny filaminana manao ny fanarahan-dia foana ny tsy fahampian’ny fitaovana sy isa.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici