- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Koweït : Mangata-panazavana ny zanak’i Fianarantsoa

Raharaha Koweït : Mangata-panazavana ny zanak’i Fianarantsoa

Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny niavian’ny sary ary koa ny anaran’ilay teratany malagasy voalaza fa namoy ny ainy tany Koweit. Na ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny aza dia tsy dia nisy ambara firy momba an’izany, ankoatra ny fanentanana ireo Malagasy mbola monina any an-toerana mba hanome vaovao bebe kokoa. Omaly dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny zanak’i Fianarantsoa ary nangataka ny mba hanomezana fanazavana bebe kokoa momba iny raharaha iny. Hatreto mantsy, raha ny voizina etsy sy eroa, dia avy any Fianarantsoa ilay vehivavy niharan’ny herisetra sy novonoina ho faty. Manoloana ny zava-misy dia nangataka ity fikambanana ity ny mba hampitsaharana avy hatrany ny fandefasana olona ho any amin’io firenena arabo io. Isan’ny nangatahan’izy ireo ihany koa ny hanamarinan’ny haino aman-jery tsara raha tena Malagasy tokoa ilay niharan’izany herisetra izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici