Efa ho herinandro efatra taty aoriana, mbola tsy fantatra ihany na votsotra na tsia ireo karàna roa; izay nalain’ny jiolahy an-keriny teto an-drenivohitra, tetsy Anosibe sy tetsy Soavimasoandro. Na ny mpitandro ny filaminana izay akaiky ny fanadihadiana aza dia afa-nenina ary tsy nahavaly ny fanontaniana intsony. Tsy fantatra na efa votsotra na tsia izy ireo, noho ny fahanginan’ny fianakaviana sy ny fahatahoran’izy ireo, sao dia hiverina any aminy indray ny baolina, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fanadihadiana. Tsy misy afa tsy ny fianakaviana akaiky sy ny vondrona izay misy ireo karàna (communauté) izany sisa no mahafantatra ny vaovao mahakasika ny “kidnapping”, izany dia ankoatry ny jiolahy tompon’antoka. Manamora ny fiverimberenan’ny fakàna an-keriny izany, satria lasa ny olon-dratsy indray izany no tompon’ny baiko ary na efa votsotra aza ireo olona dia tsy misy vaovao azon’ny mpitandro ny filaminana; izay tokony handalina ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy, ka mba hahafahana manao paik’ady hiatrehana an’izay rehefa mitranga. Dikan’izany, ny olona iray izany dia mety halain’ny jiolahy an-keriny imbetsaka rehefa tsy misy ny fepetra matipaika mipetraka…
D.R