- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanazatra baolina kitra voarohirohy ho nanolana ankizilahy enina

Toamasina : Mpanazatra baolina kitra voarohirohy ho nanolana ankizilahy enina

Zavatra tsy dia fahita tao Toamasina ny tranga nampisahotaka sy nahatezitra ireo ray aman-drenin’ireto kilonga mpilalao baolina kitra, avy amin’ny fokontany efatra dia: Depot, Anjoma, Androranga ary Tsarakofafa ireto. Mpanazatra baolina kitra na kilonga sy mpampianatra fanatanjahantena ankizy amin’ny sekoly iray ao Toamasina, no voarohiroy fa manolana ireo zazalahy tonga mianatra baolina kitra ao aminy. Raha ny fanazavana nataon’ireo ray aman-dreny manana zanaka voaolana sy ireo ankizy efa voaolana, dia namoaka fiantsoana ity rangahy ity fa mila ankizilahy 300 manodidina ny 10 hatramin’ny 15 taona hanao baolina kitra ao aminy, fa hisy ny fandehanana hitety an’Antsirabe sy Fianarantsoa hanao fihaonana. Roboka avokoa ireo zazalahy naheno izany izay efa nahatratra an-jatony. Tsy maintsy mandalo “visite” aminy anefa ireto zazalahy ireo, ka mandritra izay no asainy manala akanjo manontolo izy ireo, ary eo no anaovany ny filany amin’ny filazana amin’ireo zazalahy fa hisy fitaovana atsofony amin’ny fitombenana hijerena ny aretina izany. Ireo izay voaolany dia teneniny mafy sy ampitahoriny hovonoina raha milaza amin’ny namany sy ny ray aman-dreniny. Nisy tsy nahatana anefa ireto zazalahy tamin’ny zava-nanjo azy, ka teo no nipoitra avokoa ny nafenina rehetra; izay nahatratra 06 tamin’ireo zazalahy efa voaolana no sahy nijoro ho vavolombelona. Efa eo am-pelatanan’ny polisy misahana ny fiarovana ny zon’ny zaza ny raharaha, ka ho hita eo ny ho fivoarany amin’ny fanadihadiana ataon’izy ireo, fa hatreto dia ireo ray aman-dreny sy ireo zaza voaolana no mitaraina ny nahazo azy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici