- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Misandoka ho mpitsara, nogadraina eny Antanimora

Analakely : Misandoka ho mpitsara, nogadraina eny Antanimora

Lehilahy iray no fantatra fa nisoloky entan’olona marobe teny Analakely. Tsy nanaiky izany ny tompon’ny entana, ka nametraka fitoriana tany amin’ny polisy. Natao ny fikarohana ilay olona ka nosamborina  izy rehefa hita ny toerana nisy azy. Araka ny filazan’ireo voasoloky dia niteny ho mpiasa ambony ao amin’ny fitsarana ilay lehilahy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, efa fanaon’ity olona ity no maka entana tao amin’ilay mpivarotra. Toa nandeha tsara hatrany ny zavatra teo aloha, satria nandeha araka ny tokony ho izy ny fifampivarotana. Rehefa hitany fa natoky azy ilay fangalany entana, dia tonga izy ary entana marobe no indray nalainy. Efa natoky ilay mpivarotra, ka dia nanome izany. Nanomboka teo, tsy hita intsony izay tany nalehany. Tsy tonga naka zavatra intsony ny anao lahy ary izay nalainy very tany. Teo vao tonga saina ilay tompon’entana ary dia izao nametraka fitoriana izao.

Tamin’ny alatsinainy teo ity olona ity no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana, koa dia izao nalefa vonjimaika eny Antanimora izao.

Amin’izao fotoana izao, maro dia maro ny olona misoloky etsy sy eroa ary izay voa, tena mandraingiraingy mihitsy. Ny resaka varotra no tena be dia be. Misy mihitsy ireo sahy mivarotra zavatr’olona tsy azy akory, toy ny tany izany. Andro maromaro lasa izay, vehivavy iray no tra-tehaka nivarotra tanin’olona; izay nahavitany taratasy sandoka. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra manoloana izany zavatra izany.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici