- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fatin-jazakely nisy nanary tao anaty fako

Moramanga : Fatin-jazakely nisy nanary tao anaty fako

Zaza lahikely vao teraka no nariana tanaty fako, tao amin’ny fokontanin’i Moramanga Ambony ny 11 septambra tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva. Ankizy nitady kilalao no nahita ka niantso ny olona nandalo ary izany no niampita tamin’ny fandraisana andraikitry ny fokonolona teo amin’ny manodidina. Matetika no mitranga ny toetra mamoafady toy izao eto an-tampon-tanan’i Moramanga. Samy talanjona avokoa ny ankamaroan’ireo olona noho ny fasahiana manary anaka amin’izao fotoana izao. Na ny alika aza efa nihaodihaody hihinana azy teo raha toa taraiky ny fahitan’ireo ankizy azy teo. Tsy noheverin’izay nanary azy hifangaro amin’ny fako toy izao fa efa olombelona anie io nariany io no dia nampitoviana amin’ny zavatra fanary aza. Hita teny amin’ny manodidina azy ny tavoniny sy ny « pince » fanapahana foitra.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici