Nisy tapaka ary nisy voadona teo amin’ny lohany. Izany dia vokatry ny fifanosehana teo amin’ny vavahadin’ny Lapan’ny Kolon-tsaina sy Fanatanjahantena teny Mahamasina, ny alahady teo. Raha ny vaovao azo, dia 17 ireo naratra, ka ny telo no tena voa mafy. Efa afaka namonjy fodiana ireo olona, ankoatra ireo olona telo izay mbola harahi-maso ny toe-pahasalamany, ao amin’ny hopitaly HJRA.
D.R