- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpiasa an-trano voaolana, nokaikeriny ny filahian’ilay lehilahy

Toliara : Mpiasa an-trano voaolana, nokaikeriny ny filahian’ilay lehilahy

Tovovavy iray 20 taona mpiasa an-trano no nametraka fitoriana, fa naolan’ny zanaka lahin’ny mpampiasa azy, ny alahady naraina teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, tany Toliara (tsy tononona anarana eto ny fokontany). Raha araka ny fanazavana voaray, dia noteren’ny zanaky ny mpampiasa azy hiray aminy ity vehivavy mpiasa an-trano; izay efa notsiriritin’ilay tovalahy  hatry ny ela. Nandà ilay tovovavy, saingy notolomin’ilay tovolahy sady norokorohiny, ary nesoriny ny silipony.
Faly ilay tovolahy ary nihevitra fa nahazo fafiny noho ny orokoro-batana ilay mpiasa an-trano izay tsy nanohitra intsony. Iny hanatsofoka ny filahiany any am-bavan’ilay tovovavy iny izy, nokaikerin’ity farany ny maha lehilahy azy, saika tapaka sy niboba ra. Nihiaka nahatsiravina ilay tovolahy « maty aho ». Taitra ny teo amin’ny manodidina ary nitangorona ny olona. Nantsoina tamin’ny findainy ny ray aman-dreniny mbola  tany am-piangonana, nampahafantarina ny zava-misy. Voatery noroahina ilay mpiasa an-trano, satria afa-baraka tanteraka sy nitafy henatra ny fianakaviana izay tsongoim-bolo eo an-tanàna. Mbola manaraka fitsaboana kosa ilay tovolahy saika bory filahiana, noho ny hadalany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

14 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici