- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zazavavy 13 taona bevohoka naolan-draikeliny

Toliara : Zazavavy 13 taona bevohoka naolan-draikeliny

 Taloha ireo jiolahy sy dahalo no nalaza ratsy tamin’ny fanolanana, saingy taty aoriana kosa dia ny anadahin-dreny, raibe sy ny raikely no manolana, ary lasibatra foana matetika ireo ankizy manodidina ny 12 ka hatramin’ny 15 taona. Ankizivavy vao 13 taona monja naolan-draikeliny nandritra ny herintaona maninjitra no bevohoka, tany Toliara. Raha ny fanazavana azo dia tsy nisy nahatsikaritra fihetsika hafahafa ny iray trano nandritra ny volana maro. Tsy sahy nanambara mivantana tamin-dreniny ny zava-nihatra taminy ihany koa ity zazavavy ity noho ny rahom-bava sy kapoka nataon-draikeliny azy.
Ny alatsinainy teo anefa vao vaky ambatolampy ny nafenina hatramin’izay. Narary mafy nitolefika teo am-pandriana nisehoan’aretina namoaka fofona hafahafa (simba tanteraka) ilay zaza sady mandoa lava. Rehefa nofotoran-dreniny lalina izy amin’ny zava-manjo azy, dia nivaky ary sahy namboraka ny nanjo azy, ary nilaza fa ny raikeliny no nanolana azy am-bolana maro sady nahabevoka azy no rain-janany. Kepoka ny rehetra naheno ny vaovao. Nametraka fitoriana tamin’ny fomba mamoehatra vitam-badiny ramatoa renin’ilay zazavavy.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici