- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025

Tapatapany

#Ambilobe. Teratany Anglisy voaroba. Mpizahatany Anglisy roa indray no lasibatry ny asan-jiolahy tany Ambilobe, ny alahady maraina teo. Olona telo nirongo basy no nanakana ny dian’izy ireo tamin’izany. Voaroba tamin’izany ny vola vahiny maromaro ary vola malagasy, niampy ireo fitaovana sarobidy teny amin’izy ireo. Araka ny fantatra dia saika handeha hitsidika ny valan-javaboary ao Ankarana izy ireo no tojo ireo olon-dratsy.

#-Fenoarivo Atsinanana. Dahalo iray matin’ny fokonolona. Nisehoana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambanja, Kaominina Ampasimbe, tany Fenoarivo Atsinanana, ny alahady lasa teo. Tsy nahatanteraka ny asa ratsiny anefa ireo andian-dahalo rehefa niaro ny fananany ny fokonolona. Vokany, dahalo iray no maty. Nilaza ireo namany kosa ity farany talohan’ny nialany aina, izay samy mponina ao Fenoarivo Atsinanana avokoa. Efa mandeha avy hatrany ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici