- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Mpiasan’ny Madarail voasamboatra fa nangalatra vy

Ambatolampy : Mpiasan’ny Madarail voasamboatra fa nangalatra vy

Telo no vasamboatra hatreto tamin’ilay halatra vy tao Ambatolampy, ka mpiasa tao amin’ny madarail ihany no voalaza fa atidoha nikotrika ity halatra be vava ity. Raha tsiahivina, efa nisy rangahy iray voasambotra tamin’ity resaka ity tao Ambatolampy, io rangahy io no voalaza fa tompon’ny entana sy ilay fiara nitondra azy. Taorian’ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy dia nanondro olona roa lahy ity rangahy ity, izay nolaizany fa niara-niasa taminy. Any Andasibe Moramanga no misy azy roa lahy ireo, raha ny filazany. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana nizaha azy roa lahy voalaza ireto ka sarona tany tokoa ry zalahy. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa mpiasan’ny madarail ihany no tompon’antoka tamin’ilay halatra, ny iray mpiasa mpikojakoja ireny lalam-by ireny ary mpanaramaso kosa ny iray hafa. Araka ny vaovao voaray hatrany, efa  teny an-dalana ho any Ambohimandroso no sarona ireo entana ireo. Niaiky ny heloka vitany ireo mpangalatra efa natolotra ny fampanoavana ary miandry ny fitsarana azy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici