Maro be ireo karazana entana sy karazan-tsakafo avy any ivelany mitobaka eny an-tsena ao Toliara, tsy vitsy amin’izy ireo no lany daty iniana aparitaka. Miparitaka ary hita eny rehetra eny toy ny anana amin’izao ny menaka manompy volomparasy, mora ny vidiny, ka mpanjifa maro no roboka, satria ambany fahefa-mividin’ny olona ;izay tsy mijery intsony kalitao na fenitra ara-pahasalamana, fa ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Maro amin’ireo olona mampiasa ity menaka ratsy kalitao mamparary ity, no velon-taraina ankehitriny, ary manatona dokotera.
Raha ny fanazavana mpitsabo iray, dia fositra voalohany mampirongatra vetivety ny homamiadan’ ny aty io menaka mivadika volomparasy io. Valalanina sy mitaintaina ny mpanjifa, satria tsy hain’ny olon-tsotra intsony ny manavaka ireny karazana menaka avy any ivelany miparitaka eny an-tsena ireny, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany,.Efa ao anatin’ny fahasahiranana lalina tokoa ny Malagasy amin’izao fotoana, ary mba hisorohana ny mety hisian’ny faty olona mikararana, vokatry ny fihapoizinan’ny sakafo.
Eric Manitrisa