- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversHetsika « Fahalemana » : Depiote iray nahatrarana basy roa tsy ara-dalàna

Hetsika « Fahalemana » : Depiote iray nahatrarana basy roa tsy ara-dalàna

Mitohy hatrany ilay hetsika ataon’ny mpitandro filaminana any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ho famongorana ny asan-dahalo. Fantatra ary araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena, fa depiote iray ao Ankazoabo Atsimo no  tsy maintsy nanaovana fisavana trano. Tratra tao araka izany ny basy roa karazana, basim-borona “calibre 12” iray sy poleta PA iray marika “Unique”, calibre 7,65, niaraka tamin’ny “chargeur” sy ny bala efatra. Samy tsy ara-dalàna avokoa ireto basy ireto, raha ny fanazavana azo. Itsy voalohany dia niaraka tamina taratasy telo tsy ara-dalàna. Raha ity farany manokana kosa dia nambara fa an’olona efa maty antsoina hoe Makabara no misoratra ao amin’ny taratasiny, tamin’ny taona 2008. Ambonin’izay, hoy hatrany ny loharanom-baovao azo, mbola nisy taratasy hafa ankitelo; izay vao tamin’ity taona ity, izay misoratra amina basim-borona hafa saingy tsy hita tao an-toerana. Tetsy andanin’izay ihany koa dia fantatra fa nogiazana ihany koa ny ombin’ity solombavambahoaka ity, izay niisa teo amin’ny 268 teo. “Tsy mazava ny taratasy momba azy ireo” hoy hatrany ny vaovao. Niteraka resabe tokoa ity fisavana tranona depiote tany Atsimo ity. Amin’ny maha solombavambahoaka azy izay mantsy , dia manana ilay zo tsy azo atao n’inona n’inona na enjehina izy. Nanamarika anefa ireo mpitandro filaminana fa tamin’ny alàlan’ny didy, ny “requisition mixte” laharana 177-CG/PR/AN/K/15/S, izay nivoaka ny 14 septambra lasa teo, no nahafahan’izy ireo nanao io fisavana io. Tetsy andanin’izay ihany koa moa, ny Fanjakana efa nilaza fa tsy handefitra amin’ity resaka asa-dahalo ity ary hanafay ireo mpiray tsikombakomba, indrindra fa ireo dahalo ambony latabatra, na iza io na iza.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici