Omaly antoandro tokony ho tany amin’ny 12 ora, polisy iray mpitondra moto miasa ao amin’ny « présidence » no notifirin’ny jioilahy teny Anosibe. Tsarakely Rio Jean Baptiste no anarany, brigadier de police, voa teo amin’ny tongony havanana ity mpitandro filaminana ity ary nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly Ampefiloha. Voalaza moa, fa gorobaka mihitsy ny tongony.
Nisy fanafihan-jiolahy tao amina « quincaillerie » ana karana teny Anosibe, omaly. Nirefodrefotra ny basy ary nivarahontsana ny mponina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, efatra ireo jiolahy ary nitondra kalaky. Niditra ilay trano fivarotana ry zalahy, nanambana basy ny tompon’ny tsena ary nitaky ny hanomezana azy ny vola rehetra. Voalaza moa fa tsy nanaiky mihitsy izy ireo raha tsy nahazo vola be dia be. Rehefa nahazo izay nilainy ireo mpandroba, dia niala ilay toerana. Tamin’izay indrindra no nandalo ilay polisy nitondra moto. Tsy nanampo na inona na inona. Voalaza fa nijanona izy. Noheverin’ireo jiolahy, fa hisambotra azy ka avy hatrany dia notifiriny. Tsy dia lavitra fa tena akaiky no nisy an’ilay mpitandro filaminana tamin’io fotoana io. Raha vao avy nitifitra izy ireo, dia nandositra fa tsy nisy nijanona teny an-toerana. Mbola nanao tifi-danitra ry zalahy tamin’izany, nampitahorana ny rehetra. Rehefa lasa lavidavitra izy ireo vao tonga nitangorona ny olona ary ny naha maika, dia ny nitondra ilay naratra tany amin’ny hopitaly.
Omaly ihany dia tonga nitsidika an’ity polisy maratra ity, ny tale jeneralin’ny polisy sy ireo mpiara-miasa nitondra fampaherezana. Etsy andaniny, mandeha ny fikarohana an’ireo jiolahy ireo amin’izao fotoana izao. Voalaza moa fa, misy tranona bala roa hita teny an-toerana. Heverina fa tsy maintsy miainga avy amin’izany ny fanadihadiana.
r.s.