Lehilahy tokony ho 30 taona any ho any no hita faty, teny amin’iny faritra Anosivavaka iny, teo am-pitan’ny Tranombarotra Sanifer, omaly maraina. Nihoson-drà tanteraka ity lehilahy ity, tamin’ny nahitana azy teny an-toerana. Nahitana tataka teo amin’ny lohany manandrify ny handriny. Misy maratra be ihany koa teo amin’ny tongony. Tsy mitsahatra mitete rà ny vavany sy ny orony ary ny masony. Tokony ho tamin’ny 5ora maraina tany ho any no tsikaritry ny fokonolona ity lehilahy ity, efa tsy nisy aina intsony teo amin’ny sisin’arabe. “Ny zanako handeha hivoaka maraina no nahita azy ireo ary nampandre ahy haingana” hoy ny renim-pianakaviana iray monina eny amin’iny faritra iny. Raha ny fanazavana azo, dia ny alin’io, izany hoe : ny alin’ny talata teo ity rangahy ity no namoy ny ainy, taorian’ireo ratra nahazo azy. Tsy fantatra mazava izay nahazo ity lehilahy ity, raha ny fanazavana nomen’ny pôlisy; izay tonga teny an-toerana. Nisy namono sa voan’ny lozam-pifamoivoizana? Azo eritreriterina, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana, fa mety ho niharan’ny lozam-pifamoivoizana ity ranamana ity, ka nitsoaka ilay fiara nahavanon-doza. Mety ho nisy namono koa anefa izy ireo, hoy ireo mponina satria raha hoe lozam-pifamoivoizana izany no mety nahazo azy dia tsy maintsy henonay eto izany. Araka ny filazan’ireo mponina eny an-toerana hatrany, dia mponina eny amin’iny faritr’ Ambohimanarina iny ity lehilahy ity, ary izany Matio izany no anarany. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraiktira isan-karazany. Avy eo nentina tany amin’ny tranom-paty ny razana.
m.L