Tomany, alahelo ary hatezerana. Izay no indray hita nisoritra teny amin’ny olona rehefa niseho ity lozam-pifamoivoizana nitarika fahafatesana ity. Ny asabotsy teo, manodidina ny tamin’ny folo ora antoandro, akaiky an’I Sahavalaina, tanàna iray izay 30 kilaometatra tsy hidirana an’i Brickaville no nifandona ny “taxi-brousse” iray an’ny kaoperativa Anjara Trans sy ny kamiao iray nandeha tamin’ny arabe mitovy, saingy amin’ny fizotra samihafa. Hiakatra ho aty an-drenivohitra, raha araka ny fanamarihana azo, ilay fiara fitaterana. Teo am-pisongonana fiara izy no nifanehitra tamin’ilay kamiao. Nandriaka ny rà satria mafy ny fifandonana. Olona efatra no maty tsy tra-drano. Ny sivy hafa kosa, izay tena naratra mafy dia notaterina niakatra tany amin’ny hopitalin’i Toamasina. Ireo namoy ny ainy indray dia nentina tao amin’ny tranompatin’i Brickaville. Teny an-dàlana hihazo ny hopitaly dia namoy ny ainy indray ny roa, raha ny fanampim-panazavana azo momba ity lozam-pifamoivoizana ity. Vehivavy avokoa izy ireo, 40 taona ny voalohany ary 36 ilay faharoa. Ny iray farany, lehilahy 62 taona, dia tsy tàna intsony ny ainy na natao aza ny alanenin’ny mpitsabo tao amin’ny hopitalin’i Toamasina. Nampalahelo ny zava-nitranga, satria tamin’ireo naratra notaterina dia iray sisa no avotra aina. Manaporofo ny hamafin’ny fahavoazana izany toe-javatra izany. Nanapa-kevitra ny fianakaviany ny nampiakatra azy aty an-drenivohitra mba hahafahana manaramaso kokoa ny marary. Matetika mitera-doza ny tsy fitandreman’ny mpamily, indrindra amin’ny lalam-pirenena. Handrasana ny valin’ny fanadihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana nahafaty olona maro ity.
D.R