Nisesisesy ny mpitandro filaminana namoy ny ainy tato ho ato. Zandary iray mitondra ny galona « Adjudant » no namoy ny ainy omaly, tany Toliara, maty nazeran’ny moto nentiny tamin’ny lalam-pirenena faha-9 iny. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia miasa eto Andrenivohitra ity zandary namoy ny ainy ity. Nahazo « permission » izy ka nandeha niala sasatra tany amin’ny kaominina Milenaka, distrikan’i Toliara II. Teny ambony moto nentiny ity zandary ity no nandona ankizy nitondra bisikileta. Maty tsy tra-drano ilay zaza, noho ny dona mafy nihatra taminy. Naratra mafy tsy maintsy nentina namonjy toeram-pitsaboana tao Toliara renivohitra kosa ity mpitandro filaminana ity, nefa tsy tana ihany koa ny ainy, noho ny fahaverezan-drà vokatry ny ratra mafy nahazo azy.
Eric Manitrisa