- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Zanaka ben’ny tanàna roa vavy nataon’ny jiolahy takalonaina

Vangaindrano : Zanaka ben’ny tanàna roa vavy nataon’ny jiolahy takalonaina

Tokantrano iray an’ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Antanimbary teo aloha, any amin’ny distrikan’i Vangaindrano, no notafihan’andian-jiolahy mitam-basy, ny talata tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Norobain’ireo jiolahy avokoa ny ankamaroan’ny entana tao amin’ny toeram-pivarotana rihana ambany. Izay tsy zakan’ ireo mpandroba dia nopotehiny. Niakatra tao amin’ny rihana ambony, efitrano fatoriana ny sasany tamin’ireo jiolahy avy eo, ary naka an-keriny tovovavy  roa : 16 taona sy 18 taona, izay zanaky ny tompon-trano, nentin’ireo jiolahy nanaraka azy. Rehefa dify ireo mpandroba sy mpaka an-keriny dia niantso mpitandro ny filaminana ny renin’ireo zaza. Raikitra ny fanarahan-dia taorian’izay. Vao nandeha tsy ampy 1 km miala ny tanàna anefa ireo zandary nanao fanarahan-dia dia nahita ireo ankizy nipetraka teo amoron-dàlana, salama tsara tsy nahitana ratra na endrika fanolanana ny tenan’izy ireo. Tsy hita kosa izay nanjavonan’ireo jiolahy ka mbola karohina hatramin’izao, raha ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici