- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-Divers« Aigle noir » Isotry : Kilemaina voaroba, lasa ny vola tamin’ny...

« Aigle noir » Isotry : Kilemaina voaroba, lasa ny vola tamin’ny sakaosy

Tsy miandry alina intsony ny jiolahy rehefa manao ny asaratsiny. Ankoatra izay dia efa fanatr’izy ireo avokoa ny ankamaroan’ny olona hotafihana, na koa ny toeram-pivarotana. Omaly, tetsy Ambodinisotry, tsy mifanalavitra amin’ilay toerana antsoin’ny maro hoe « aigle noir » dia nisy asan-jiolahy nitranga. Rangahy iray mpanao bizina vato no sendra an’izany. Izy io dia sembana ara-batana ary atosika amin’ireny « fauteuil roulant » ireny rehefa mivoaka ny fiarany ka hamonjy toerana hafa. Vao avy nanao ilay afera mihitsy izy ka natosika tamin’ilay seza mandehandeha, hizotra ho ao an-tranony rehefa avy niala tamin’ny fiara, no nisy jiolahy niandry fotsiny. Telo lahy izy ireo, raha araka ny vaovao azo. Nitsoaka ny mpanosika ilay rangahy ary io farany kosa dia niezaka ny mbola niaro tena sy nanohitra. Saingy hahavita inona loatra moa manoloana ireo olona telo mijoalajoala sady mitazona fitaovam-piadiana ihany koa, mangin’izany, ny tena rahateo misy fahasembanana. Navadik’ireo olon-dratsy ny seza ary rehefa nianjera tamin’ny tany ilay lehilahy dia mbola nodarohina, nohitsahina ary saika novonoina tamin’ny antsy aza, saingy nahay niala. Lasa ny vola izay mbola tao anaty sakaosy ary tsy nisy tokony ho nahafantatra hoe vola. Isan’ny fanontaniana mipetraka hatrany, araka izany, ny hoe ahoana ny fomba hamantaran’ny olon-dratsy ny fisian’ny vola any amin’ny olona iray ? Ao no miteny fa misy fombafomba hataon’izy ireo dia fantany hatrany izay misy ny vola. Ao kosa ny mahita fa mahay mandrindra asa tsara ny jiolahy ary efa misy  ny miasa amin’ny famantarana izay mety ho loharanom-bola fotsiny. Na izany na tsy izany, efa tsy milamin-tsaina andro aman’alina intsony ny mponin’Antananarivo noho ny afitsoky ny mpandroba.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici