Tsy niandry ela fa ny ampitson’ny nitrangan’ilay fanafihana ihany dia sarona ilay nandroba « quincaillerie » sy nitifitra pôlisy tetsy Anosibe. Loharanom-baovao akaiky ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity no nahafantrana fa tetsy Itaosy izy ireo no voasambotra. Namoy ny ainy tao anatin’izany ny lehilahy iray. Tsy fantatra mazava kosa na nisy ny fanoherana na tsia ka nitarika ny fitifirana nataon’ireo mpisambotra azy. Ankoatra azy dia nisy ramatoa iray hafa ihany koa nentin’ny pôlisy teny amin’ny biraony ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Izy io indray dia voarohirohy ho mpiray tsikombakomba taminy nandritra ny fanafihana tetsy Anosibe ny antoandron’ny alarobia lasa teo. Isan’ny nanaitra ny nahafantarana fa nisy akanjo fanamian’ny mpiandry fonja tao amin’ilay trano nahatratràrana azy roa. Isan’ny nofantarin’ny mpanao fanadihadian’ny pôlisy omaly ihany saingy mbola notànan’izy ireo ho tsiambaratelo raha tena izany tokoa ny asan’ilay lehilahy na tsia. Nizara roa ny hevitry ny olon-tsotra izay sendra nahafantatra ilay zava-nitranga. Tao no nilaza fa miendrika valifaty ity nataon’ny mpitandro ny filaminana ity. Mifanakaiky amin’io fijery io ihany, nisy koa ny nahita fa rehefa olon’izy ireo izany no naratra dia faran’izay haingana dia hita ny jiolahy. Ny hafa indray dia nahita fa mba haingana kosa ny fisamborana ary tokony mba ho toa izany hatrany ny fomba fiasan’ity vondrona ity rehefa misy ny asaratsy mitranga eto an-drenivohitra. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny vola lasan’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana, ary raha ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia tsy nahitàna vola tao amin’ilay trano tetsy Itaosy.
D.R