Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany sy ny mpanendaka, ny alin’y alarobia teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Nanomboka teny Soarano izany, ka hatreny akaikin’ny fivarotam-boky iray. Tsy nety nijanona ireo olon-dratsy raha tsy nanapoaka basy ny mpitandro filaminana. Jiolahy dimy no indray nanendaka olona tratra hariva tamin’izay, teny Soarano akaikin’ny hotely malaza iray. Nandalo anefa ny polisy mpanao fisafoana nahita azy ireo teo am-panaovana ny asaratsiny. Nandositra avy hatrany ry zalahy. Ny telo no voasmabotra, fa ny roa kosa tafatsoaka. Rivo, Noel ary Andriatsara no anaran’izy ireo araka ny vaovao voaray. Rehefa nosavaina izy ireo, dia nahitana antsy lava roa tany aminy, antsy fitondrany manendaka. Nohadihadiana izy ireo, dia fantatra fa ilay antsoina hoe Rivo, 26 taona, dia niteny fa efa tamin’izy 18 taona no nanomboka nanendaka teny amin’iny faritra iny. Ireo namany roa, 17 taona sy 20 taona dia manao ny asan’ny mpiandry “parking” eny Antaninarenina amin’ny antoandro, fa manendaka kosa amin’ny alina. Mbola nilaza ry zalahy, fa mahazo vola 40 000 ariary ka hatramin’ny 60 000 ariary, isan’olona isan’andro izy ireo, arakaraka ny olona endahiny.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny polisy amin’ny famongorana ny harom-paosy, endaka sy ny sinto-mahery isan-karazany eny Analakely eny. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo bandy voasambotra ireo.
r.s.