Tsy maintsy ao anaty lisitra foana ireo fiara marika “Sprinter” ! Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray mantsy teny amin’iny lalan’ny Digue Andohatampenaka iny, ny sabotsy lasa teo. Taxibe roa no nifandona. Vokany, maromaro tamin’ireo mpandeha no naratra mafy. Tokony ho tamin’ny enina ora maraina tany ho any no niseho ny loza, araka ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana. Mazava ho azy fa nalalaka ny lalana tamin’io ora io ary samy nanampatra ny fahaizany mamily avokoa ireto taxibe ireto. Ny iray mampitohy an’Ambohitrimanjaka ary ny iray an’Ivato. Samy nandeha mafy avokoa izy ireo raha ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany. Saika handeha hisongona ny teo alohany ny ity ho any Ambohitrimanjaka no nifatratra tamin’ilay taxiben’Ivato, nifanena taminy. Niezaka niala ihany iry voalohany, saingy tsy azo nialàna ny fifandonana. Niafara tamin’ny fivadihan’ilay fiara iray mihitsy izany. Samy marika “Mercedes Sprinter” avokoa indray ireto namoa-doza ireto. Mpandeha sivy no indray naratra, ary ny roa tamin’izany no tena voa mafy, araka ny nambaran’ireo pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana tonga teny an-toerana. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ireo naratra ireto. Mbola tazomina ao amin’ny sampan famelomana aina ireo roa voa mafy, raha efa nalefa nody kosa iretsy sisa ambiny. Fa mbola ny andron’ny sabotsy teo ihany, taxi-brousse amin’ny zotra nasionaly iray, izay mbola marika “Sprinter” ihany koa, no nitrosona sy naharatrana olona maromaro teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Tokony ho tamin’ny iray ora antoandro no niseho ny loza, raha ny nambaran’ireo zandary misahana ny fifamoivoizana, tao an-tampon-tanànan’i Behenjy. Hitodi-doha hiakatra ity fiara ity izao namoa-doza izao, ary teo am-pisongonana kamiô. Nilatsaka tamin’ny sisin’arabe anefa ny fiara ary vaky tamin’izany kodiarana, izay nitarika ny fivadihany. Mpandeha valo no naratra vokatr’ity loza, ka vehivavy ny roa tamin’izany ary tsy nahatsiaro tena no ratra goavana nahazo azy. Efa samy nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa ireto olona ireto.
m.L