- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Fijerena valina « bacc », saika raikitra ny rombo

Analakely : Fijerena valina « bacc », saika raikitra ny rombo

Nivaly ny sabotsy teo ny fanadinana “baccalauréat” teto an-drenivohitra. Tamin’izany fijerena ny voka-panadinana izany tokoa, saika raikitra ny rombo afakomaly teo amin’ireo olona tonga nijery valina “bacc” sy ny ireo tompon’andraikitra tao amin’ny sekoly J.J Rabearivelo teny Analakely. Ny antony, raha ny filazan’ireo olona teny dia toa hoe efa nipetaka teo amin’ny tabilao ny lisitra kanefa tsy nety nosokafan’ireo tompon’andraikitra ny vavahady. Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany no nisehoan’izany. Efa velona ny horakoraka ary saika nitohy tany amin’ny fanimban-javatra mihitsy, raha tsy nalaky tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nandamina ny raharaha. Efa tany amin’ny enina ora maraina tokoa mantsy, ny andron’io sabotsy io, no efa tomefy olona teny an-toerana, ary nihanitombo hatrany hatrany izany ora maromaro taty aoriana. Tamin’ny 12 ora antoandro teo no nandeha ny siosion-dresaka fa havoaka ilay lisitra. Nanomboka teo no efa nanomboka tsindrin-daona ny rehetra. Ora roa aty aoriana anefa mbola tsy nivoha foana ny vavahady, ka nampiakatra ny hatezeran’ny sasany. Ny sasantsany tamin’ireo tanora tonga teny no efa nihanika tamboho sy niezaka nanosika ny vavahady hidirana. “Fomban’ny olona ihany ny somary mikorontana kely toy izany, ary izay mihitsy no antony nandefasanay pôlisy teny an-toerana ho fitandroana ny filaminana”, hoy ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana. Nilamina tsy nisy raorao ihany moa izay fijerena valim-panadinana izay tamin’io tolakandro io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici