- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBetongolo : Olona mitovy be amin’i Lamà nosamborina

Betongolo : Olona mitovy be amin’i Lamà nosamborina

Omaly maraina no natao ny fisamborana rehefa nahazo antso tamin’ny mpanome vaovao ireo pôlisy eo anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny jiolahy rain-dahiny. I Norbert Randriamanana, fantatra amin’ny anarana hoe Lamà, no nisy nilaza fa nahita teo amin’ny toeram-panaovana fanatanjahantena tetsy Betongolo. Nidina teny an-toerana ny pôlisy ary natao ny fisamborana. Mbola nisy namany hafa tokony nojonoina saingy tsy tonga ireo, raha araka ny fantatra. Koa satria mpanao fakàna an-keriny izay nikoizana sy nivoaka an-gazety isan’andro i Lamà tany amin’ny taona 2008 tany ho any, dia nampanantsoina ny pôlisy izay teo anivon’ny sampan-draharaha izay efa nanao fanadihadiana ny dosie mahakasika azy. Ireo mantsy no mety mahafantatra avy hatrany ny tarehiny. Omaly, tao amin’ny biraon’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava dia niompana tamin’izany ny tapak’andro hariva. Niditra tsirairay ary natao nijery ny tarehin’i « Lamà » ny pôlisy maro. « Tsy izy ilay olona. I Lamà dia mirefy eo amin’ny 1,75 metatra eo ny halavany kanefa ilay olona eo amin’ny 1,62m. Ny amin’ny hoe jiolahy indray na tsy izy, mbola eo am-panaovana fanadihadiana tanteraka izahay amin’izao fotoana izao » raha araka ny fanazavan’ny lehiben’io sampan-draharahan’ny pôlisy io. Efa nanomboka tamin’ny taona 2008 no tsy hita intsony izay nisy an’i Lamà. Izy irery sisa no naningana tamin’ny ekipany dia Mahandry sy Steve ary Pika izany. Fakàna an-keriny nisesisesy izay tsy latsaky ny folo no vitan’izy ireo tamin’izany fotoana ary vola mitentina miliara hatrany no miresaka. Raha matin’ny pôlisy tao amin’ny villa iray tetsy Ankerana ry Mahandry sy ny namany, i Lamà kosa dia tsy hita hatramin’izao izay nanjavonany. Nisy aza no nilaza fa izy ihany no nanondro ireo namany ka nitarika ny famonoana an’ireo. Efa tonga hatramin’ny fanomezana tambin-karama ho an’izay manome vaovao mahakasika azy tamin’izany fotoana saingy tsy namokatra mihitsy izany. Marobe ny tsaho mihodidina momba ity mpanao an-keriny ity. Tao no nilaza fa efa tsy eto madagasikara intsony izy fa nitsoaka any ivelany niaraka amin’ny volabe. Nisy koa anefa ny mponina eny Ivato no nilaza fa mihodidina eny an-toerana izy ary somary nanova endrika, toa ny volo lavalava. Efa nangina tanteraka ny anaran’ity jiolahy ity saingy toa velona tampoka ao an-tsain’ny maro indray ny zava-bitany rehefa nisy ny fisamborana ny « kambana » taminy…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici