- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

#-Analakely. Tovovavy mpivarotra amoron-dàlana naratra mafy. Nisehoana herisetra indray tamin’ireo mpivarotra amoron-dàlana, omaly, teny Analakely, araka ny filazana loharanom-baovao iray. Tovovavy iray mpivarotra amoron-dàlana no niharan’ny herisetra nataona efa-dahy milaza ho mpiasan’ny kaomina; izay nandroaka ny entan’izy ireo teny an-toerana. Naratra mafy ity tovovavy ity, hoy ny vaovao, ka tsy maintsy nentina tany amin’ny hôpitaly. Raha nanontaniana mikasika ity tranga ity ny tompon’andraikitra voalohan’ny filaminana, dia nilaza fa tsy mbola naharay tatitra mikasika izany.

#Behenjy. Zazalahikely maty voatsindrin’ny fiara. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny talata lasa teo. Mbola ao anaty lisitra foana aloha hatreto ny “sprinter”, izay nidona tamina sisin’arabe teny Behenjy. Vokany zazalahikely 9 taona, no maty voatsindrin’ny fiara rehefa nipitika avy tao anatiny, noho ny hamafin’ny dona. Etsy andanin’izay, mpandeha enina tao anatin’ity fiara ity no naratra ary mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly.

#-Farafangana. Miaramila nitifitra olona. Nandritra ny hetsika « Fahalemana », tany amin’iny distrikan’i Farafangana iny, miaramila iray tsy fantatra galona no nitifitra nahafaty olona iray; izay zandrin’ny Sefon’ny fari-piadidiam-pampianarana any Midongy. Notazonin’ny zandary avy hatrany ity miaramila ity raha ny fantatra. Vola 2 tapitrisa ariary sy omby dimy kosa no takian’ireo fokonolona, araka ny voalaza dia fitsipika ao anatin’ny Dina any an-toerana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici