Zazavavy vao 14 taona monja no niteraka kambana telo ny alatsinainy teo, tany Andranovory Toliara II. Maty teo am-pahaterahana ny zaza iray noho ny fahasarotana. Tsy vitan’ny mpitsabo tany an-toerana intsony ny fitsaboana an’ity tovovavy ity ka tsy maintsy nentina nitsabo tena ao Toliara izy mba hanavotana ny ainy sy ireo zanany. Mihatsara ny fahasalaman’izy telo mianaka amin’izao, raha ny voalazan’ny dokotera mandray an-tanana ny fitsaboana. Raha ny fantatra dia renin-jaza no nampiteraka an’ity ankizivavy ity tany an-tranony. Noho ny harerahana vokatry ny fahaverezan-drà dia tsy maintsy nentin’ny havany namonjy tobim-pahasalamana haingana izy. « voalohan-janako ireo », raha ny nambaran’ity zazavavy ity nitafa taminay omaly, izay tsy nety nanoro ny rain-janany.
Noho ny fomban-tany, kely veta ny ankizy. Raha ny fantatra dia tovovavy tsy ampy taona tsy latsaky ny 20 isam-bolana raha kely indrindra no miteraka ao amin’ny hopitaliben’i Toliara, ary mampihoron-koditra ny tarehimarika ofisialy navoakan’ny OMD tamin’ity taona ity, taorian’ny fanadihadiana natao ny taona 2013, fa ny 40% mahery amin’ireo tsy ampy taona any amin’ny faritra Atsimo Andrefana no efa manan-janaka, na bevohoka, avokoa. Noho ny fomban-tany dia kely veta ny ankizy. Misy ireo mbola tsy vory na arifomba ny taova rehetra ao anatiny amin’ny maha vehivavy azy, dia efa reny sahady ka mampihombo ny fahantrana, tsy afa-mivoatra.
Eric Manitrisa