- Publicité -
mercredi, novembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversiten'i Fianarantsoa : Hisokatra amin'ny 28 septambra izao ny fampianarana

Oniversiten’i Fianarantsoa : Hisokatra amin’ny 28 septambra izao ny fampianarana

FianarantsoaHiverina hamonjy sekoly indray ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, rehefa niato tao anatin’ny roa volana mahery noho ny fitokonana nataon’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Hanomboka amin’ny alatsinainy 28 septambra izao ny fampianarana araka ny tapaka tamin’ny fivorian’ny Filankevi-pitantanan’ny Oniversite. Samy hanana ny fandaharam-potoanan’ny fidirany ny departemanta tsirairay. Ho an’ny ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa, dia ny fanadinana ho an’ny L1 no hatao amin’io alatsinainy io, fa amin’ny volana novambra kosa no tena fidirana amin’ny ankapobeny ho azy ireo. Ho an’ny Fakiolte DEGS (Droit-Economie-Gestion et sciences sociales) kosa, dia ny 5 oktobra ny fidirana. Fakiolten’ny teny aman-tsoratra dia mamarana ny taom-pianarana 2014-2015 izy ireo amin’io alatsinainy 28 septambra io. Ho an’ny Fakiolten’ny « médecine » dia mitohy ny fanadinana ho an’ny kilasy voalohany hifaninanana hiditra kilasy faharoa ka amin’ny 5 oktobra no hanatanterahana izany. Hiditra amin’ny enim-bolana faharoa kosa ny ao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) sy ny ENI (Ecole Nationale d’Informatique) ary ny ao amin’ny CUFP (Centre Universitaire de Formation Professionnalisante). Hisy koa ny « session de rattrapage » ho an’ny CUFP amin’io alatsinainy 28 septambra io. Hiroso amin’ny fanadinana fifaninanana (concours) kosa ny ao amin’ny ISTE (Institut Supérieur de Technique et de l’Environnement), efa nanomboka ny 22 septambra teo ny fisoratana anarana amin’izany ary hifarana ny 14 oktobra. Amin’ny volana novambra io kosa no fidiran’ny mpianatra ho an’ireo misafidy ny sampana ISST na Institut Supérieur des Sciences et Technologies, fa amin’ny alatsinainy 28 septambra izao kosa ho an’ny Institut Conficius.  Eo amin’ny fanadinana kosa, ho an’ny departemanta Environnement dia ny 26 sy 27 oktobra no hanatontosana izany; ny departemanta Fizahantany dia ny 28 oktobra ary ny teknolojia ny 29 oktobra. Sampam-pianarana 10 ankehitriny no misy eny amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ka ny ISST eo Amboaloboka no nisokatra farany.

Saholy

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici