- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizy mianadahy maty may kilan’ny afo tao an-tranony

Toliara : Ankizy mianadahy maty may kilan’ny afo tao an-tranony

Vokatry ny afon-dabozia. Nitrangana hain-trano nahatsiravina tao amin’ny fokontany Andabizy Amboanio Toliara ny alin’ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Zaza mianadahy 10 taona ny lahy raha 4 taona ny vavy no maty may kila hotohoton’ny afo tao an-tranony. Raha ny fanazavana azo dia nohidin-dreniny tao an-trano ireto ankizy rehefa natory ary nentiny ny lakiley, dia lasa izy nanaraka ny vadiny nisotro toaka. Ny lelafo niredareda no nanaitra ny teo amin’ny manodidina. Novonoina ny afo ary teo ny rehetra vao samy taitra nahita an’ireto zaza mianadahy efa nikaikona tsy nisy aina intsony. Latsa-panenenana mafy tamin’ny fihetsika tsy voahevitra nataony ny ray aman-drenin’ireo zaza maty.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici