- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Namoa-doza indroa nisesy, olona iray maty, 17 naratra mafy

RN1 : Namoa-doza indroa nisesy, olona iray maty, 17 naratra mafy

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny omaly sy afak’omaly, teny amin’iny faritra Fenoarivo iny. Ny voalohany, lehilahy manodidina ny 50 taona any ho any no nianjera teny ambony môtô ary maty nony tonga tany amin’ny hôpitaly, teny Alakamisy Fenoarivo, ny sabotsy hariva lasa teo, tokony ho tami’ny efatra ora tany ho any. Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny zandary eny amin’iny toerana iny dia somary namofompofona alikaola ity rangahy ity tamin’io hariva io. Handeha hiakatra aty an-drenivohitra izy no tsy fantatra izay nahazo fa dia nianjera ary nipitika. Nidona tamin’ny tany ny lohany ary tsy nahatsiaro tena. Tsy tana intsony ny ainy nony tonga teny amin’ny hôpitaly. Ny faharoa, omaly, teo Ambodiafontsy. Fiara tsy mataho-dalàna iray no nidona tamina taxibe Sprinter. Vokany, olona 17 no naratra mafy, mpandeha tao amin’ilay taxibe sy tao amin’ilay fiara kely. Raha ny fanazavana azo hatrany dia nizotra hiakatra aty an-drenivohitra ilay fiara 4×4. Sendra nisy taxibe nanala olona anefa teo amin’ny fiatoana teo Ambodiafontsy teo alohany. Niezaka hisongona izany iry voalohany saingy nipoitra tampoka avy any, ny taxibe iray nizotra ho any Fenoarivo. Na dia niezeka niala izany aza anefa ny mpamily an’ilay fiara kely, tsy azo nihodiovirana ny fifandonana. Olona dimy no tao anatin’ity farany izay samy naratra avokoa. Mpandeha 17 kosa no tao anatin’ilay taxibe, izay samy naratra ihany koa. Nisy tamin’ireo hoy ny fanazavana hatrany no voa mafy voatery nampiakarina taty an-drenivohitra. Toy ireo lalana migodana eto an-drenivohitra dia samy manampatra ny fahaizany mamily avokoa ny ankamaroan’ireo mpindrana iny lalam-pirenena voalohany iny amin’ny fandehanana mafy. Mitondra ho aiza anefa ? Dia izao no hiafaràny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici