#-Bekopaka. Dahalo iray maty, olona roa naratra mafy. Nisehoana fifandonana mahery vaika indray tany amin’ny kaominina Bekopaka, any amin’iny faritra Boeny iny, ny zoma lasa teo, teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana ary ny fokonolona. Vokany olona roa tamin’ireo mpanara-dia no naratra mafy. Dahalo iray kosa no maty voatifitra. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby rehetra nalain’ireto malaso ireto. Mbola mitohy ny fikarohana ny naman’ireo dahalo
#-Ambilobe. Telo lahy nanao fanamiana mpitandro filaminana nanafika. Tokantrano iray indray no lasibatry ny asan-jiolahy, ny zoma lasa teo. Telo lahy misaron-tava sy manao fanamiana mpitandro filaminana, mirongo kalach no niditra ankeriny tao amina tranon’olona tao Mikaina, kaominina Ambahirano. Vola mitetina 6 tapitrisa ariary mahery teo no lasan’izy ireo, niaraka tamin’ny firavaka volamena maromaro. Nanapoaka basy im-pito ireo jiolahy ireo, ary tavela teo ireo “etui” ireo izay mitondra ny lot 97.61 miisa 05, lot 77.539 iray, lot 93.61 iray. Misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Nangonin’i m.L