Tao anatin’ny ora vitsy monja, faty roa no niampatra teto Andrenivohitra, vokatry ny asan-jiolahy. Ankilany teny Isotry, andaniny tetsy 67ha.
Nisesisesy indray tato ho ato izay ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana. Tsy ela fa vao tamin’ny sabotsy, ora vitsy monja taorian’ilay teny Isotry, dia nisy fanafihan-jiolahy mahery vaika ihany koa teny amin’iny faritra 67ha iny. Maty voatifitry ny jiolahy tamin’izany ihany koa ny raim-pianakaviana iray, tompon’ny tsena, ankoatra ny vola matin’ity fivarotana kely ity tamin’io tontolo andro io. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny kalach sy PA izy ireo, no nanao amboletra tao amin’io toeram-pivarotana io ny andron’ny asabotsy. Teo no tsy fantatra izay niseho. Heverina ho nisy fifanoherena avy amin’ilay tompon-tsena nanoloana ireto efa-dahy efa mirangaranga amin’ny fitaovam-piadiana sy vonona ny tsy hitsitsy. Tsy am-pihambahambana tokoa mantsy no nitifiran’ireto olon-dratsy an’ity rangahy 42 taona ity. Niantefa teny amin’ny tratrany ny bala. Niboiboika ny rà. Rehefa tsy tafahetsika intsony ity farany no nanararaotra nisava izay azo nalaina rehetra ireo olon-dratsy. Vola manodidina ny iray hetsy tany ho any no azon’izy ireo, niaraka tamina fitaovana maromaro sarobidy. Taorian’ny fanafihana vao afaka namonjy ny manodidina, izay nitondra ity olona voatifitra tany amin’ny hôpitaly. Indrisy anefa fa tsy avotra intsony izy. Asa raha maika tamin’ny famonjena izay naratra tokoa ny olona ka hadinon’izy ireo ny niantso pôlisy. Raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny mantsy, dia tsy nahazo fampandrenesana mikasika ity fanafihana ity izy ireo. Kisendrasendra ihany no nahafantarana izany aty aoriana, raha sendra nanao fisafoana iny faritra iny izy ireo. Inona no antony ? Leo ny miantso vonjy amin’ny mpiaro azy tsy tonga ara-potoana sa tsy mipetraka intsony ilay fahatokisana ny mpitandro filaminana ? Ilay fanafihana ora vitsy talohan’io teny Isotry mantsy, raha ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana, dia olona manao fanamiana tanteraka mitovy amin’ireo mpitandro filaminana ao anatin’ny vondron-kery manokana ireny mihitsy. Hay jiolahy tsy mifaditrovana.
m.L