- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFangalàna an-keriny : Olona efatra mbola tadiavin’ny zandary

Fangalàna an-keriny : Olona efatra mbola tadiavin’ny zandary

Tsy mifarana akory fa mbola manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpanao fanadihadiana amin’ny fikarohana ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-basy sy mpaka an-keriny eto Andrenivohitra. Fantatra ary, araka ny loharanom-baovao akaikin’ireo mpitandro filaminana, fa mbola misy olona efatra, karohina fatratra amin’izao fotoana izao amin’ity resaka fanafihana sy fakàna an-keriny ity. Jiolahy rain-dahiny, naman’ireo roalahy voasambotry ny zandary ny alakamisy lasa teo, izay tsy iza fa i « Rainsa » sy ny namany iray. Ireto farany ireto raha ny fampitam-baovao azo no atidoha tao ambadik’ireo fanafihana nisesisesy teo aloha teo, teto Andrenivohitra, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay tany Fenoarivo sy Tanjombato, nahavoatifitra olona roa, ary niampy ilay tetsy Anosibe, izay nandratra pôlisy iray nitondra môtô. Raha ity farany no hiverenana kely, dia maromaro ireo olona voarohirohy sy voasambotry ny avy eo amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, ka tao anatin’izany ny pôlisy iray, izay nambara tamin’izany fa tsy am-perin’asa intsony, fantatra amin’ny anarana hoe « Rainsa ». Rehefa nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana anefa ireto olona ireto, dia nahazo fahafahana vonjimaika ny namany hafa sy ity « Rainsa » ity. Tsy navela higoka izay fahafahana vonjimaika izay anefa ranamana tamin’io fotoana io, fa avy hatrany indray dia voapaingotry ny zandary ary nentina natao fanadihadiana. Tamin’izay no nahalalana indray, fa efa tena mpiray petsapetsa amin’ireo olon-dratsy eto an-tanàna ity « mpitandro filaminana niova fo » ity. Izy rahateo, raha ny loharanom-baovao, no mampanofa ireny basy ampiasain’ireo tontakely ireny tamin’ireo fanafihana voalaza etsy ambony ireo. Isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fangalàna an-keriny teratany karàna tompon’ny magazay Conforama, ary ny fanafihana ny magazay « Monlou » tamin’ny herintaona, izay efa nisaziany teny Tsiafahy. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nilazany ireo namany efatra izay karohina amin’izao ireo. Nalefa avy hatrany eny Tsiafahy indray ity mpiaro ny vahoaka nivadika ity, niaraka tamin’ilay namany iray. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany efatra hafa izay mbola miriaria any sy angamba mety manohy hatrany ny asa ratsiny. Tranga izay azo eritreretina, raha ireo fanafihana indroa miantoana niseho tetsy Isotry sy 67ha,  ny sabotsy lasa teo no dinihana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici