Naolan’ity raim-pinakaviana 34 taona antsoina hoe Randrianoavy Jean Marc Olivier, tao amin’ny trano fidiovana ho an’ny daholo be tao Ambalabe Toamasina, ity zanany vavy naterany vao 8 taona monja, ny harivan’ny alahady 27 septambra teo.
Araka ny fiaiken-keloka nataon’ity raim-pianakaviana ity nandritra ny fanaovana fanadihadiana azy teo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, ny polisy misahana ny heloka be vava, dia tsy tao an-trano ny renin’ity zazavavy kely ity nandritra izany, fa nandeha nitady trano vaovao hofain’izy ireo, ka raha nandeha nampandro ity zazavavy kely ilay rangahy izay tsy fanaony fa efa nomaniny mihitsy araka ny fanazavana, dia teo no nampiharany ny filan-dratsiny ilay zazavavy kely naterany. Trano fidiovana ho an’ny daholo be hofaina ireny no nanaovany ny filan-dratsiny nandritra izany. Ny hiakiakan’ilay zazavavy no nanaitra ilay mpiasa mitantanana ilay trano fidiovana ka nijery ny zava-nisy.
Mbola teo am-panolanana ny zazavavy mihitsy ilay rangahy no tratra ary raha nozahana ilay zaza taorian’izany dia tena simba tanteraka. Tsy nanaiky ny zava-nisy ny renin’ity zazavavy kely 8 taona ity, noho ny rainy ihany koa no nahavita azy taminy ka nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Raha ny fanazavan’ity zazavavy kely 8 taona, dia noteren-drainy nanaovany io filan-dratsiny io izy, saingy tsy sahy niteny ary tambazany vola. Niaiky ny heloka vitany ilay raim-pianakaviana, ka nilaza kosa fa “devoly” no nahatonga azy nahavita izao tamin-janany vavy. Niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao fanadihadiana misahana ny zaza tsy ampy taona ny fitsarana Toamasina ny raharaha, ka miandry fitsarana am-ponja ny didy savaranon’ando nivoaka.
Malala Didier