Olona telo no fantatra hatramin’izao fa namoy ny ainy, noho ny fihinanana « sardine » ambifotsy efa lany daty tao Toliara. Raha ny vaovao voaray, dia maty tamin’ny alarobia 30 septambra ny roa, raha omaly naraina kosa ny lehilahy fanintelony. Raha ny angom-baovao dia niara-nisotro toaka izy telolahy ireto ka nanao tsaky « sardine ». Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ny iray vokatry ny poizina ara-tsakafo. Rehefa nialana nenina notsaboana teny amin’ny hopitaly izy telolahy ireto, dia samy tapitra ny ainy. Efa notaterina natetika teo amin’ny gazety ny fiparitahan’ny entana lany daty ; poizina ho an’ny fahasalamam-bahoaka.Tokony handray fepetra henjana sy hentitra amin’izay ny tompon’andraikitra, mba hisorohana ny fihapoizinan’ny sakafo faobe mitarika fahafatesan’olona toy izao.
Eric Manitrisa